Lozam-pifamoivoizana teny Anosisoa Ambohimanarina
25 May, 12h06. Fiara 4*4 iray no nitrongy andrian-jiro sy trano hazo omaly tolakandro teny Anosisoa Ambohimanarina. Araka ny fantatra, nitsaoka polisy ity fiara ity ka niafara tamin’izao lozam-pifamoivoizana izao. Nosamborina avy hatrany Ilay mpamily raha toa ka noentina teny amin’ny hopitaly ireo naratra. Tsy nisy ny aina nafoy.
