Masindray : Hisy ny famarananana ny tournoi U16 Fanilo
Hisy ny lalao famaranana ny tournoi U16 Fanilo, izay hiarahana amin’ny academy football buffalo, avy eny Masindray. Ny alahady 02 oktobra no hanatanterahana ny « petite finale » izay atao eny amin’ny kianja synthétique Pedro, izay hifandonan’ny klioban’ny Buffalo sy ny JSEM, hanomboka amin’ny 02 ora tolakandro. Ny « grande finale » kosa dia hanomboka amin’ny 03 ora tolakandro, izay hifandonan’ny klioban’ny Akamasoa Academy sy ny Elgecoplus B.
« Ankoatra ny fanomanana ireo lalao famaranana ireo, hisy ihany koa ny fampivondronana (regroupement) an’ny mpikatroka U17 izay ho atao ny sabotsy 01 oktobra, izay atao eny amin’ny kianjan’ny Masindray. Fotoana ihany koa io hametrahana ny fandaminana mahakasika ny Challenge U17 UCEF » hoy ny tomponandraikitra.
« Ilaina ny fanomanan-tena amin’ny lafiny rehetra satria anisan’ny tena efa mivoatra ny ato amin’ny klioba ary maro ireo tanora, ankizy no liana amin’ny fandraisana anjara amin’ireo karazana lalao sy fifaninana karakaraina ato » hoy i Sebastien, mpilalao baolina kitra.
Mivelatra ary efa tena mivoatra tokoa ity taranja ity ho an’ny akademia. Hentitra ny fanentanana sy ny fitondrana ireo mpikatroka ao anatiny. Nahazoana vokatra tsara hatrany anefa izany ho an’ny mpilalao.
Manitra Ramanantsoa
