Chine : Mpamokatra champignons betsaka indrindra eran-tany
Misahana ny 70% amin’ny famokarana holatra azo hohanina eran-tany i Chine. Mametraka azy eo amin’ny toeran’ny mpamokatra io holatra io lehibe indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany raha ny voalazan’i Yinchuan, lehiben’ny tobim-paritra mizaka tena Hui du Ningxia ao Chine avaratra andrefana sy ny talen’ny foibe iraisam-pirenen’ny bioteknolojia sy ny biotekniakan’ny holatra azo hohanina.
60 000 taonina monja anefa ny famokaran’i Chine io vokatra io tamin’ny taona 1978, izay 6% tamin’ny famokarana eran-tany ihany. Mahatratra hatramin’ny 10 tapitrisa taonina kosa nefa izany famokarana izany amin’izao fotoana. Olona maherin’ny 30 tapitrisa no misahana ny fambolena sy ny fanodinana io karazana holatra io ao Chine. Nohon’ny fampiroboroboan’izany famokarana izany dia tantsaha maro no afaka tao anaty fahantrana sy nihatsara fari-piainana.
