ActualitésTsidika

Fiaraha-mientana : Notapahina ny hazo hisorohana ny loza ao Ankadikely Ilafy

Niroso tamin’ny fanapahana sy fitsirihana ireo hazo lehibe manakaiky ny toeram-ponenana sy manamorona ny lalana ny Kaominina Ankadikely Ilafy ny 26 janoary. Izany no natao dia ho fisorohana ny loza mety hitranga sy ny fanelingelenana ateraky ny fianjeran’izy ireny.

« Isaorana ny fokonolona eny ifotony nanome tanana tamin’ny fanatanterahana ny asa. Miara-miasa ho amin’ny fandrosoana hatrany isika » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Tena atahorana hitera-doza tokoa ireny hazo amoron-dalana ireny. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza tokoa mantsy isika izao » hoy i Fanja, mponina ao Ankadikely Ilafy.

« Izay tsara fiomanana tokoa tsy ho tampohin’ny loza. Mila miomana mandrakariva isika amin’ny fanalana ireo sakana mety hampidi-doza » hoy i Franklyn, manam-pahaizana mikasika ny fandriam-pahalemana.

Tsy mitsahatra mitady vahaolana hisorohana hatrany ny loza ny mponina ao Ankadikely Ilafy sy ny mpitondra ny tanàna. Mahafinaritra ny fiaraha-mientan’izy ireo. Ny hampandroso miaraka ny tanàna tokoa no tanjona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire