ActualitésTsidika

Fitaterana : Nozaraina taratasy fahazoan-dalana ireo mpamily fiara karetsaka

Notolorana taratasy fahazahoan-dalana miasa na ny Licence ireo taxi miisa 19 ao Ankadikely Ilafy ny 26 janoary. Nahazo ny « lantern » vaovao ihany koa izy ireo. « Tena hita tokoa ny ezaka ataon’ny kaominina. Tena manampy betsaka ny vahoaka tokoa indrindra izahay mpitatitra. Afaka miasa ankalalahana izahay amin’izao » hoy ny mpamily fiara karetsaka iray.

« Mila fiarovana ny asa fivelomana manara-dalàna eto amintsika. Omena folo andro kosa ireo izay maniry te hiditra ao anatin’izao fifandaminana izao ho tonga ety amin’ny birao » hoy ny avy ao amin’kaominina Ankadikely Ilafy.

« Hihazakazahana ny fandrosoana ety Avaradrano. Hita fa samy miezaka manao ny mety ny ben’ny tanàna rehetra. Fifaninana masina tokoa ary hita fa mahomby izany » hoy i Claudia, mponina ao Ankadikely Ilafy. Ho hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny kaominina ho an’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fiara karetsaka. Ilaina ny manaja ny toeram-piantsonana sy ny fananana ny taratasy fahazoan-dalana.

Mitohy hatrany ny ezaka ho fampandrosoana ny tanàna.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire