Ambohimanambola: Niavaka ny filaharana nataon’ireo sekoly
Ny zoma teo no natanterahana ny filaharana (carnal) fanao amin’ny fankalazana ny andron’ny sekoly, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Niavaka ary samy naneho no mahaizy azy avokoa ireo mpianatra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana tao an-toerana.
« Fotoana iray hanehoana ny fahaiza-mamorona sy ny mampiavaka azy ny mpianatra ny carnaval tahaka izao. Ary mahafinaritra fa misy tena manana haingam-panahy miavaka ny mpianatra izay entiny maneho ny sekoly niaviany » hoy i Tantely, mponina ao Ambohimanambola.
« Ankoatra ny carnaval izay fanao mahazatra dia nisy ny fandraisam-pitenena sy ny fanentanana maro samihafa ho fanamarihana ny fotoana tahaka izao. Izany ihany koa no natao hanomezan-danja ny sekoly sy ny fanabeazana. » hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara.
Marihina moa fa noho ny fisian’ny andro ratsy teto amintsika no nahatonga ny fankalazana ny andron’ny sekoly nihemotra tao an-toerana. Niara-nisalahy tamin’ny fandrindrana sy ny fankalazana izany moa ny ZAP, ireo talen-tsekoly avy ao an-toerana ry ireo avy amin’ny mpitandro filaminana.
Manitra R.
