Ambohimangakely : Fankasitrahana ireo mpilalao baolina kitra
Tontosa ny 6 martsa lasa teo teny amin’ny Kianjan’ny Frera Ambohimangakely ny hetsika fankasitrahana ireo mpilalao baolina ao Ambohimangakely. Ezaka lehibe tokoa no vitan’izy ireo, izay nibatany ny amboaran’Avaradrano.
« Ny fiadidiana ny kaominina sy ny vahoaka rehetra ao amin’ny kaominina Ambohimangakely dia maneho fisaorana ireo Mpilalao baolina kitra tamin’ny nandrombahan’izy ireo ny Amboaran’ny Distrika Avaradrano » hoy ny solombavambahoaka voafidy teto Avaradrano, Andriambelosoa Heriniaina. « Reharehan’ny Kaominina tokoa ireo tanora avy eto Ambohimangakely. Tsy mora ny ady saingy naharesy isika » hoy i Rasoava Rivo, tompon’andraikitry ny fanatanjahan-tena ao ami’nny kaominina Ambohimangakely. Marihina fa nandresy ny Kaominina Alasora tamin’ny isa 3 no ny 2 i Ambohimangakely nandritra ny lalao « Championat Inter-Communal Avaradrano ». Hita ho mandroso tokoa ny baolina kitra eto Avaradrano.
Nicole Rafalimananjara
