Ivon-toeran’ny fitanterana an-tanety (ATT): Hifindra eny Soarano manomboka ny faha-31 Jolay
Havadika eny Soarano ao amin’ny tranoben’ny “Madarail” ny Ivon-toern’ny fitanterana an-tanety na ny ATT manomboka ny Alatsinainy 31 Jolay ho avy izao. “ Hisy ny fiovana mahakaasika ny toerana misy ny ATT manomboka ny faran’ity volana Jolay ity. Raha teny Ampasapito no nahitana azy teo aloha dia hivadika eny Soarano izy izao. Toy izay ihany koa dia, ambara fa ny fandraisana ny taratasim-panadinanana hakana fahazoan-dalana hamily fiara dia eny amin’ny birao vaovao no handraisana azy. Eny avokoa araka izany no atao ireo asa sahanin’ny ATT.” Hoy ny avy amin’ny ATT “ Nohezahina ho atao amin’ny toerana akaiky ny rehetra izany hoe natao ety afovoan-tanan-dehibe no natao ny birao vaovao ho fanamorana ny fivezivezen’ireo olona manan-draharaha mipetraka lavitry ny Renivohitra. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny lamina manokana nahatonga izao fanapahan-kevitra izao.” Hoy ny tompon’andraikitry ny fampiantranoana. Ity sampan-draharaha ity araka ny fantatra dia anisany mandray olona betsaka indrindra isan’andro. Maro karazana ihany koa ny asa sahanin’izy ireo manodidina an’izay fitanterana an-tanety izay. Ny birao no miova hoy hatrany ny tompon’nadraikitra fa mitohy hatrany kosa ny asa rehetra izay natao teo aloha.
Miranto Andrih
