SocialTatitra

Japon : Teratany Amerikana 2 voaheloka ho nanampy tamin’ny fitsoahan’i Carlos Ghosn

Nanameloka amerikana 2 ho nanampy tamin’ny fitsoahan’ny filohan’ny Renault-Nissan teo aloha, Carlos Ghosn avy tao Japon ho any Liban, ny volana desambra 2019 ny mpampanoa lalàna japonais. Fanodikodinam-bola goavana no nanamelohana an’andriamatoa Ghosn tamin’izany fotoana. Nampiakarina eo anivon’ny fitsarana ny raharaha mahakasika ireo amerikana 2 voapanga ireo. Ho sokafana indray araka izany ny antontan-taratasy mahakasika ity filohan’ny Renault-Nissan teo aloha ity hoy ny mpampanoa lalàna japonais tamina fifandraisana an-tsoratra. Tamin’ny fomba nahagaga tokoa hoy izy ireo no nitsoahan’i Ghosn avy tao Japon ho any Liban tamin’io fotoana io niaraka tamina mpiray tsikombakomba roa. Raha ny fantatra, toa mbola nisy olona hafa nifandray taminy ihany koa tany Istambul nahafahany niditra tao Beyrouth, renivohitr’i Liban ny 30 desambra 2019. Tsy afaka mikitika azy ny manam-pahefana japonais na dia manana fahazoan-dalana avy amin’ny Interpol aza noho ny lalàna misy ao Liban. Noraran’i fanjakana libanaise tsy hivoaka ny firenena fotsiny andriamatoa Ghosn hatramin’io andro io.

Laisser un commentaire