Italie : Mitokona ny mpiasa ao amin’ny orinasa Amazon
Mpiasa maherin’ny 9500 no nanao fitokonana tao Italie ny marainan’ny alatsinainy 22 martsa. Fanirian’ireto mpiasa ireto ny fanatsarana ny toe-piainan’izy ireo manoloana ny areti-mifindra coronavirus. Tokony hatsaraina hoy izy ireo ny fepetra arak’asa misy ao an-toerana fa sahirana ny mpiasa. Niantso ireo sendika marobe izy ireo hiara-hitaky izany aminy. Tafiditra ao anatin’ny fangatahan’izy ireto ny fanamaivanana ny asa, ny fampiharana ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana amin’ny fotoanan’ny areti-mandringana, ny fandoavana ny tambin-karama amin’ny Covid-19, ny fampiakarana karama. Lava ny lisitr’ireo fitakiana avy amin’ny sendika marobe niara-nientana tamin’ity orinasa amerikanina ao Italie ity. Marihina fa amerikanina no tompon’ilay orinasa. Misehatra eo amin’ny varotra amin’ny tambazotra ny mpiasa ao aminy. “Reraka ny mpiasa, ny mpamily izay manatitra entana 180 ka hatramin’ny 200 fonosana isan’andro” hoy ny fitambaran’ny sendika maromaro naneho hevitra. Hasaina manokana ihany koa ny mpanjifa ao amin’ity orinasa ity mba hifanome tanana amin’ireo mpiasa mitokona. Afaka maneho izany fiaraha-mientana izany amin’ny alàlan’ny fividianana eo amin’ny lampihazo, araka ny antso nataon’ny fikambanan’ny mpanjifa tao an-toerana.
