SocialTatitra

Centrafrique : Mitarika ny fihetsiketsehana ny filoha teo aloha François Bozizé

Naka ny lohan’ny fihetsiketsehana ho firaisan-kina ho amin’ny fanovana ao centreafrique (CPC) ny filoham-pirenena teo aloha François Bozizé. Fikomiana izay naniry ny hanonganana ny filoha Faustin Toudéra tamin’ny volana janoary lasa teo, hoy ny mpitondra tenin’ny CPC, Serge Bozanga, tamin’ny AFP ny alahady 21 martsa. Nanambara andriamatoa Bozanga fa nanaiky avy hatrany ny fiantsoana natao azy andriamatoa Bozizé raha nangatahan’ny CPC hitarika sy handrindra ny fikambanana amin’ny ankapobeny. Mbola andrasana arak’izany izay paik’ady ho raisin’ity filoham-pirenena teo aloha ity.

Laisser un commentaire