SocialTatitra

France: Fatim-behivavy iray hita tao anaty harona plastika

Hiroso amin’ny fanadihadiana sy ny fizahana ny razan’ilay vehivavy, hita tao anaty harona plastika, tany Pyrénées Orientales, France, ireo manam-pahefana any an-toerana. Vehivavy iray efa nahazo taona no nisy nahita tao anaty harona plastika, araka ny voalaza.Tsy nisy nahita ny zava-nitranga na ny famonoana ity vehivavy efa nahazo taona ity. Tsy misy mahafantatra ihany koa ny momba azy. Mpamboly iray handeha hanamboatra fefy teo antokotaniny no nahatsikaritra izany. Amin’ity herinandro ity no hanaovana ny « autopsie » an’ity razana ity. Izany moa dia ahafahana manokatra ny fanadihadiana hikarohana ny nahavanon-doza, araka ny fanazavana hatrany.

Laisser un commentaire