SocialTatitra

France : Tovovavy iray 16 taona niharan’ny fanolanana teny an-dalambe, lehilahy iray voasambotra

Lehilahy iray no notanana am-ponja vonjimaika, rehefa voarohirohy tamin’ny fanolanana zazavavy iray 16 taona. Nametraka fitoriana momba ny tranga nahazo azy ity zazavavy ity, raha ny fanazavana. Nanao ireny fiarahana samy mpianamana, « soirée pyjma » , ireny niaraka tamin’ny namany maromaro ity tovovavy ity, izay tsy ampy taona avokoa izy ireo. Rehefa nandroso alina ny andro, tsy nahazo aina ity farany fa nanapa-kevitra nivoaka tany an’arabe mba haka rivotra. Araka ny fanazavana, dia nandray zava-pisotro sy karazana singa izany mahatonga fihomehezana sy miteraka hafaliana ity tovovavy ity. Ara-dalàna ny fanjifana izany ao France. Rehefa tany an’arabe ity farany no nifanena tamin’ny lehilahy iray ka nampiharany ny herisetra tamin’ny lalana ity tovovavy ity. Voarakitra tanaty horonan-tsary azo tamin’ireny « caméra de surveillance » amin’ny tanàna moa izany fihetsika izany, ka nahafahana nisambotra ilay lehilahy.

Laisser un commentaire