Ambatonilambo fkt Soanierana Ambohimangakely: VONO KAPOKA NAHAFATY ZANAKA NATERAKA (INFANTICIDE)
Tamin’ny 30 aprily 2024 lasa teo, tamin’ny 4 ora ora sy sasany tolak’andro raha araky ny fitantaran’ny rainy nahafaty azy dia nipipy ankilaoty ity zazavavikely 1 taona ity. Noho ny fahatezeran’ny rainy dia nofelahany teo amin’ny hatoka ilay zaza. Nandoa tsy ankijanona taorian’izay. Nentina namonjy dokotera tamin’ny 7 ora hariva saingy tsy tana ny ainy ny maraina tokony tamin’ny 7 ora teo.
Notanana avy hatrany ilay rain-jaza ary nafindra toerana azo antoka lavitra an »Ambohimangakely mba hisorohana ny hatezeram-bahoaka.
