Sehatry ny asa : Nolanian’ny filan-kevitry ny Minisitra ny karama farany ambany azo ataon’ny mpampiasa
Dépêche 19 mai, 13h, Nolanian’ny filan-kevitry ny Minisitra ny alarobia teo ny karama farany ambany tsy maintsy hapetraky ny orinasa. Efa ny volana mey taona 2022 no efa nipetraka izany ary nifaneken’ny orinasa rehetra sy ny Fitondram-panjakana izay mitentina 250 000 ariary. Etsy andaniny anefa dia nasiam-panitsiana ihany koa ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa. Mitentina 238 800 ariary izany raha 217 000 ariary teo aloha ho an’ny sehatra hafa ankoatra ny fambolena. Ny eo amin’ny sehatry ny fambolena kosa dia niakatra ho 242 200 ariary raha 220 200 ariary izany teoa aloha. Nihatra nanomboka ny 1 mey teo izany fanapahan-kevitra izany.
