ActualitésTsidika

Jono: Hiverina indray ny fifanarahana amin’ny Vondrona Eropeanina afaka volana vitsivitsy

Raha tapaka nandritra ny efatra taona ny fifanarahana momba ny jono niarahana tamin’ny vondrona Eropeanina dia hivrina indray izany afaka volana vitsivitsy. Ho vita amin’ny voalohandohan’ny volana jolay any ny dingana farany hahafahana mampihatra izany. Nisy fanovana maro tao anatin’ity fifanarahana ity. Efa maro ireo dingana efa nolalovana ka tafiditra aoa anatin’izany ity farany ity.

“Tamin’ny faraparan’ny taona 2022 iny no nohavaozina ny éaccord de pêche” amin’ny Vondrona Eropeanina. Efa maro ireo dingana narahina ary ity Sonia ity no dingana farany tsy maintsy hatao. Amin’ity fifanarahana vaovao ity dia nomena lanja ireo mpanjona madinika. Raha 8 tapitrisa Euros, miampy tohana ho an’ny sehatry ny jono 750 000 Euros no tombony azon’i Madagasikara  teo aloha, dia hiakatra ho 12 tapitrisa Euros mahery izany amin’ity fifanarahana vaovao ity, miampy ampaham-bola 1 100 000 Euros isan-taona ho fanohanana ny sehatry ny jono manokana”, hoy ny Minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert.

Anisan’ny ezaky ny fitondram-panjakana amin’ity fifanarahana ity ihany koa ny hampitombo ny tahan’ny fihinanana trondro manerana ny Nosy. Hahazo tombony ihany koa araka izany ireo mpiompy trondro amin’ny varotrta samihafa.

“Maro ireo hery lehibe entin’ny fihinanana trondro. Manan-karena otrik’aina betsaka noho ny hena sy ireo vokatra hafa ny trondro. Ity fifanarahana ity anefa afaka hanampy amin’ny fanjifana ny trondro ka tsara raha tanterahina araka ny tombontsoan’ny rehetra”, hoy ny mpitsabo.

Marihina fa amin’izao fotoana izao dia efa hizarana fitaovana sy fampiofanana avokoa ireo mpanjono madinika mba tsy hiankinan-doha amin’ny vahiny intsony. Izany dia tokony hampiakatra ny fanjifana trondro manerana ny Nosy.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire