Fandraisana ireo manamboninahitra mpiofana ao amin’ny 46è CAO
17 Septambra, 09h00. Noraisin’Andriamatoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny jeneraly Serge Gelle tetsy amin’ny toeram-piasany tetsy amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy etsy Betongolo ny 16 septambra 2021 tamin’ny 2 ora tolak’andro ireo Manam-boninahitra mpiofana ao amin’ny andiany faha 46 « Cours d’Application des Officiers (CAO). Miisa 31 mianadahy izy ireo izay avy tao amin’ny Andiany faha 42 ACMIL Antsirabe izay nisafidy ho Zandary ka ny 3 dia Manamboninahitra vehivavy.
