Dépêches

Trano sary Ambohidahy: An-jatony ireo sary mikasika ny 29 martsa 1947 haranty ao

Dépêche 30 mars, 14h, Sary maintsy sy fotsy maherin’ny zato entina hanehoana amin’ny ampahany ny zava-nisy tamin’ny 29 mars 1947 no hampirantiana ao amin’ny Mozea “trano sary” Ambhidahy. Haharitra herinandro izany fampirantina izany izay tsy hifarana raha tsy ny 7 aprily izao. Maherin’ny 50 amin’ireo dia natambatra ary alefa anaty horonan-tsary. Ny tena tanjon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ity hetsika ity moa dia ny hampahafantatra ny zava-nisy tamin’ny tolom-pahafana tamin’izany fotoana izany sy ny hanentanana ny taranaka Malagasy mba hiverina ny afo-mpitiavany ny tanindrazana. Misokatra ho an’ny rehetra araka izany ny Mozea hahafahana mahafantatra indray ny tantara tsy hay hadinoina.

Laisser un commentaire