Dépêches

Fenerive-Est : Voasambotra ireo jiolahy rain-dahiny

18 Novambra, 08h00. Voasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy nanafika mpivarotra hena tany Fenoarivo Atsinanana, iray volana aty aoriana. Ity farany indray no nanondro ireo namany telolahy. Ekipan’i Mad Max, jiolahy mpamerin-keloka fa tsy ilay mpihira akory, ireto voasambotra ireto ary anisany tratra ihany koa izy. Ilay moto halatra kosa efa tany Toamasina vao hita: efa niova loko sy efa nokosehina namboarina ny laharan’ny motera. Efa niakatra fampanoavana izy efa-dahy ireto.

Laisser un commentaire