Mitohy ny fanatanterahana ny veli-rano
22 Jona, 10h05. Manomboka ny asa fanamboarana ao Toamasina, voakasik’izany ny Boulevard Ratsimilaho sy fiarovana ny sisin-dranomasina. Efa vitan’ny CUT sy ny MEDD momba ny PAZC (Projet d’Aménagement et de Protection des Zones Côtières) sonia ny 18 febroary lasa teo ny fanamboarana rindrim-bato manamorona ny sisin’ny ranomasina hatreo amin’ny Pointe Tanio ka hatrany amin’ny lycée Jacques Rabemananjara. Ary dingana ho tanterahina ihany koa ny tetik’asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ho fiarovana ny sisin-dranomasina, amin’ny alalan’ny fanitarana ny moron-driaka hatramin’ny 345 metatra. Marihina fa efa mirefy 35 metatra ny asa efa vita.
