Sabotsy Namehana: Mila handraisana fepetra ny zotra H miasa ao an-toerana
Mitaraina manoloana ny hafitsoky ny zotra H, izay zotra miasa ao an-toerana ny mponina ao Sabotsy Namehana sy ny manodidina. Ankoatra ny tsy fanajana ny zon’ny mpanjifa dia mampitaraina ireo mponina ny tsy fahampian’ny fandraisana fepetran’ny tomponandraikitra amin’ny fahitana ny asa ataon’izy ireo.
« Ankoatra ny filaharambe rehefa hody isan-kariva, dia olana hiainan’ny mpampiasa io zotra io ny fanariana andalana ataon’ireo mpitatitra. In-efatra miova fiara vao tafody isan’andro noho izany. Tena hiangaviana ny tomponandraikitra mba hijery sy handray fepetra fa mijaly ny vahoaka » hoy i Hasina, renim-pianakaviana.
« Ny tena olana amin’ity resaka zotra ity dia ny faneken’ny mpandeha hanaiky ny tsy rariny ataon’ny mpitatitra. Hany ka manao izay tiany tokoa izy ireo. Ilaina ny firaisan-kina amin’ny fanoherana ny tsy rariny no sady famaizana ireo tia kely » hoy i Hery, mponina ao Sabotsy Namehana.
Anisan’ny olana goavana mila vahan’ny tomponandraikotra ity lafin’ny fitaterana ity. Miantraika amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ihany koa izany ankoatra ny fandriam-pahalemana sy ny sosialy.
Manitra R.
