Ambohimanambola : Nisy ny atrik’asa sy fiofanana momba ny tetik’asa “Flourish”
Nisy ny atrikasa sy fiofanana mahakasika ny fikajiana ny tontolo maitso sy ny ho aviny, eto amin’ny kaominina Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa “Flourish” ity atrikasa ity, araka ny voalaza.
“Araka ny hita amin’izao fotoana dia efa mandroso be ny kaominina eo amin’ny fitomboan’ny mponina, mitombo araka izany ihany koa ny fanorenana trano sy ny foto-drafitr’asa isan-karazany araka ny filàn’ny mponina. Teo indrindra ny nahatonga ny petrak’olana hoe hanao ahoana ny ho avin’ny tontolo maitso eto amin’ny kaominina sy ny fiantraikan’ny tsy fisian’ny zava-maitso, indrindra amin’izao fotoana hisian’ny fiovaovan’ny toetr’andro izao” hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Nandritry ny atrikasa no nampiarana ny » Green City Scénario planning » na ny faminavinana ny ho avy amin’ny resaka fisian’ny tontolo maintso miainga amin’ny alalan’ny zava-misy taloha sy ankehitriny. Nanampy betsaka ireo mpisehatra rehetra hanana fomba fijery mihabo lavitry ny nofinofy ny fahaiza-manaon’ireo mpanampahaizana mpikaroka avy amin’ny fampianarana ambony avy ao Namibie, York ary indrindra ny oniversiten’Antananarivo » hoy hatrany ny fanazavana.
Efa miha-vitsy an’isa tokoa ireo faritra maitso ao amin’ny kaominina amin’izao fotoana. Antony maro no mahatonga izany fa tsy ny fanorenanana foto-drafitr’asa ihany. Ny hazo anefa dia anisan’ny miaro ny tontolo iainana sy ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Manitra R.
