SportTatitra

Autriche : Nandresy indray i Max Verstappen

Fandresena faha-5 tamin’ny lalao 9 natao tamin’ity taom-pilalaovana Formule 1 ity no azon’i Max Verstappen (Red Bull) omaly, tao amin’ny kianja Spielberg. Nanaraka azy i Valtteri Bottas (Mercedes) sy i Lando Norris (McLaren). Mitombo hatrany ny elanelana eo amin’i Max Verstappen sy i Lewis Hamilton (Mercedes) eo amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany (isa 182 sy 150). Fahatelo kosa i Sergio Perez (Red Bull, isa 104).

Laisser un commentaire