Afrique du Sud : Tokony efa any amin’ny mpitandro filaminana i Jacob Zuma
Voaheloka 15 volana am-pigadrana ny filoha teo aloha Jacob Zuma ka tokony hanatona ny polisy ny alahady 4 jolay lasa teo. Nametraka ny taratasy hamerenenana ny fitsarana anefa ny mpiaro azy ka ny 12 jolay izao indray no hanadalo ny fitsarana momba ny lalam-panorenana ny raharaha.
Nanamafy ny mpisolo vava azy fa tsy misy ny fisamborana azy alohan’io daty io. Resaka kolikoly nisy teo amin’ny firenena no vesatra niampangana azy tamin’izany. Ny zoma lasa teo aza dia nangataka teny anivon’ny fitsarana ny hanafoanana izao fanapahan-kevitra izao i Jacob Zuma. Ary tamin’izany no nilazan’ny fitsarana fa raha tsy manantona ny polisy taorian’ny didy i Jacob Zuma dia hisy ny fisamborana azy mba ho any amponja. Miandry ny 12 jolay indray izany ny mikasika ity filoha teo aloha ity.
