Myanmar : 25 no maty tamin’ny fifandonana teo amin’ny tafika sy ny mpanohitra ny fitondrana miaramila
Mirongatra ny herisetra ao Birmanie. Nirongo fiadiana ireo mpanohitra ny fitondrana miaramila hiandoana amin’ny tafika ao an-toerana. Araka ny fitantaran’ny mponina teny an-toerana dia mpitolona sy sivily 25 no matin’ny tafika nandritra ity fanonganam-panjakana ity.
Olona 890 no efa maty nanomboka ny fanonganam-panjakana miaramila nanonganana an’i Aung San Suu Kyi tao an-toerana araka ny ONG iray eo an-toerana. Efa maro ihany koa ireo faritra sasan-tsasany nanagana vondrona fiarovana sivily na « groupes de défense » mba hanoherana ireo fitondrana miaramila ireo. Basy entina mihaza sy fitaovam-piadiana vita amin’ny tanana no fitaovana entin’izy ireo mitolona.
Rah any fitantaran’ny mponina dia miaramila tonga tamin’ny fiara vaventy no nitifitra ireo vondrona mpiaro ireo tamina tanàna iray akaikina ala mikitroka. « In-26 ny feom-basy renay » hoy mponina iray, « Notifirin’izy ireo izay rehetra nihetsika teny amin’ny arabe sy tety an-tanàna » hoy izy.
