Mahazo vahana ny fihirana sy fitendrena mitety tanàna.
Tsy ankifidy asa intsony izao fa izay mahavelona no atao. Misy mihitsy aza ny voasarika hanao asa ratsy sy mamoafady. Taloha, isaky ny fety no ahitana ireo mpitsoka mozika sy mpihira mitety tanàna. Ankehitriny, isan’andro izy ireo no manao izany asa izany. Misy tarika maro ihany koa, ary samy manana ny anarany. Ao ny manao andiany 3 sy 4, misy ireo mahatratra folo mahery. Ary tato ho ato, misy ireo izay efa mandeha irery tsy misy namana. Rakitra no tatazana rehefa avy mitsoaka mozika izy ireo. Amin’ny ankapobeny, ariary zato isaky ny tsena no azon’izy ireo. Folo minitra mahery no mijanona amin’ny toerana iray, izay ahavitany hira telo eo ho eo. Hira izay foronina manokana fa tsy angalana tahaka amin’ny hafa. Mahazo hatramin’ny iray alina ariary izy ireo anatin’ny andro iray. “Aleo mihira toy izay mangalatra” hoy ny valin-teny nomeny. Tsy misy asa ambony sy ambany tokoa.
Dinah Razanajatovo
