Ankadinandriana: Mpianatra miisa 120 no hisitraka ny fampisakafoanana an-tsekoly
Nanolotra fanampiana sy fanohanana ho an’ny mpianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Andranovola ny avy amin’ny fikambanana Malagasy Miara-Miainga avy ao Ankadinandriana. Mpianatra miisa 120 no hisitraka ny fampisakafoanana an-tsekoly (Cantine Scolaire) ao an-toerana, araka ny voalaza.
“Ho fanohanana ny mpianatra sy ny raiamandreny,ary hanatsarana ny vokam-pnadinana dia natomboka ny fanomezana tohana ara-tsakafo aty an-tsekoly na ny « cantine scolaire » teto amin’ny Andraravola. Mpianatra 120 no hisitraka izany amin’ity taompianarana 2023-2024 ity » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha miasa eo amin’ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka, mifanampy amin’ny mpampianatra mpanabe sy ny ray amandreny. Vary milanja 1600kilao eo no mahavita ireo mpianatra mandritra ny taom-pianarana, ary ampiana tohana ara-bola ihany koa atao laoka. Tanjona moa dia ny famatsiana sy fitsinjovana ny zaza malagasy hiditra an tsekoly” hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe ho an’ny fampianarana ny fanohanana tahaka izao. Maro ireo sekoly no mila fanampiana tahaka izany, indrindra fa ny eny ambanivohitra, noho ny fahasahiranan’ny ray amandreny, indrindra eo amin’ny ara-tsakafo. Anisan’ny mampihena ny tahan’ny fitsoahana an-dakilasy ihany koa izao.
