ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Ny alatsinainy 04 desambra no heverina handehan’ny rano

Anisan’ny nanatanterahana ny fanentanana mahakasika ny fisitrahana rano fisotra madio ihany koa ny tao amin’ny fokontany Andranomanonga, kaominina Ambohimanambola. Tao anatin’izany, voasoritra fa amin’ny alatsinainy 04 desambra no handehanan’ny rano ao an-toerana.

“Tahaka ny natao teny amin’ireo fokontany hafa, mahakasika ny fanatsarana sy fampisitrahana rano fisotro madio, dia nisy ihany koa ny fizarana ireo tsara ho fantatra mahakasika manodidina ny fampisitrahana rano fisotro madio sy fandraisana ny fitarainana manolona ireo foto-drafitr’asa mampisitraka izany, ho an’ny teto amin’ny fokontany Andranomanonga” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

“Tafantsangana teto an-toerana ihany koa ny Koranoizay vondron’olona monina eo an-toerana hifanampy amin’ny kaominina amin’ny fitazomana sy fanatsarana ny kalitaon’ny fampisitrahana/fisitrahana rano fisotro madio. Ny alatsinainy 04 Desamba no daty handehanan’ny rano ho an’ny fokontany Andramanonga” hoy hatrany ny fanazavana.

Ao anatin’izany fametrahana ny rano izany moa, dia efa azon’ny mpanjifa atao ny manao fangatahana raha hampiditra isan-tokatrano.

Laisser un commentaire