Talata Volonondry: Tontosa ny lalao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna 2023
Notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro iny lalao fiadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna, ho an’ny taona 2023, tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Nisongadina nandritra izany ny fahaiza-manaon’ireo ekipa mpandray anjara, araka ny voalaza.
“Ny ekipan’ny TMFT Zokiny no nahazo ny amboara voalohany, coupe omby nandritra ny fifaninanana ity. Niampy kalisy iray izany. Izy ireo izay nandavo ny ekipan’ny ZAMITA tamin’ny isa 2 no 0. Nahazo ny toerana fahatelo kosa ny TMFT zandriny rehefa nandresy ny FC AMBOLO tamin’ny isa 4 no 0” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara ny lalao.
“Hisaorana ny ben’ny tanàna nikarakara ny fifaninanana fa anisan’ny nahafinaritra ary nahitana ny ezaka sy ny fahavitrihan’ny tanora tokoa izany. Ny fanomezana lanja ny lalao tahaka izao no anisan’ny mampandroso ary mampivoatra ny baolina kitra eto amin’ny tanàna” hoy i Toky, mpilalao baolina.
Ao anatin’ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ny fikarakarana fifaninanana tahaka izao. Izany ihany koa no anisan’ny tanjon’ny kaominina amin’ny fikarakarana lalao toy izao.
