Chine : Sakafo ahafantarana an’i Chine ny « œuf de cent ans »
Sakafo miavaka ny « œuf de cent ans », efa tany amin’ny fiandiohan’ny fitondran’ny Ming tany amin’ny taona 1368 tao amin’ny distrikan’i Yiyang izy no nisy. Gana iray no nanatody teo ambony « tas de chaux » tamin’izany izay roa volana taty aoriana vao hita. Rehefa novakiana ny atody dia nivaingana (gélifié) sy nihamainty ny tao anatiny.Nanomboka teo no nisy ny « œuf de cent ans », nivoatra kosa ny fitehirizana azy ho tonga « œuf de cent ans » taty aoriana. Atodin-gana no tena hanaovana azy, tehirizina mandritra ny volana na herinandro maromaro ao anaty fotaka misy « chaux », akofa sy lavenona ary sira sy zava-maniry fanao dité izy. Raha atodin’ny papelika kosa no hanamboarana azy dia alona ao anaty « liquide de macération » izy.Mivadi-maitso ny tamenakin’ny atody ary lasa mainty kosa ny tapotsiny. Mahery fofona izy, ary raha ny voalazan’ireo efa nanandrana dia miavaka sy tsy tsara ny tsirony.
