ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mpisoloky ho polisy roa lahy saron’ny zandary

Roa lahy no saron’ny zandary avy ao Ambohimanambola, nandritra ny sakana izay napetraka ny faran’ny herinandro teo. Araka ny voalaza, roa lahy avy any Betafo, nikasa hividy piesy amin’ny kaomiao tao Anosizato no nanaparan’izy ireo ny fikasan-dratsiny.

« Nitonona ho polisy tamin’ireo roalahy niharan’ny fisolokiana ireo olon-dratsy ireto. Efa nalain’izy ireo avokoa ny karapanondro, ny finday ary ny vola rehetra tany amin’ireo roa loahy ary nofatoran’izy tamin’ny menottes » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

« Ny sakana nataon’ny zandary no nahatratrarana ireo olon-dratsy ireto ary nentina avy hatrany teny amin’ny poste Avancé Ambohimanambola. Nitsoka anefa izy ireo rehefa tonga teny an-toerana kanefa tratra ihany noho ny ezaka nataon’ny zandary » hoy hatrany ny fanazavana.

Nampisavorovo ny sain’ny mponina tao an-toerana moa ity tranga niseho ny sabotsy maraina ity. Ireo mponina ao an-toerana izay efa miaina anaty tebibety sy tahotra amin’izao fotoana vokatry ny tsy fandriam-pahalemana.

Manitra R.

Laisser un commentaire