ActualitésTatitra

Europe : Mikasa hanakatona ny Facebook sy ny Instagram ao an-toerana i Mark Zuckerberg

Manam-pikasana hanakatona ny Facebook sy ny Instagram ho an’i Europe i Mark Zuckerberg sy ny ekipany. Hotontosain’izy ireo izany raha tsy mamela ny Meta hamindra sy hitahiry ary hikirakira ny mombamomba na « données » ireo mpampiasa azy ao Europe ho any amin’ny « serveur » ao Etats-Unis i Europe.Anisan’ny raharaha dinihina lalina ao amin’ny Union Européene amin’izao fotoana io fifanarahana famindrana « données » io. Raha tsy manaiky izany nefa izy ireo hoy ny Meta dia tsy maintsy hanafoana vokatra sy tolotra maromaro ao an-toerana izy. Anisany ny Facebook sy ny Instagram. Raha ny voalazan’ny Meta dia ny fizarana io « données » io fototra iray fahafahany manome tolotra sy mikendry ny vondrona tiliany amin’ny dokam-barotra.Marihina fa ny « Privacy Shield » no nanangonan’i Meta ny « donnée » tao Europe teo aloha, saingy natsahatry ny fitsarana tao Europe izany ny taona 2020 noho ny tsy fanarahana ny fepetra fiarovana na « violations de la protection des données ».

Laisser un commentaire