ActualitésTatitra

Mayotte : Trano tsy manaraka ny fenitra 1 250 eo ho eo no horavana hatramin’ny faran’ny taona

Mitohy ny hetsika Wuambushu ao amin’ny nosy Mayotte. Notohizana ny alatsinainy teo tao tanàna « bidonville » Hamouro, ao amin’ny kaominina Bandrélé indray ny fandravana ireo trano tsy manaraka ny fenitra. Raha ny tatitra dia trano tsy ara-dalàna 81 no rava nandritra izany.

Trano manodidina ny 500 isa no noravaina tao amin’ny nosy nanomboka ny volana jona teo hoy ny préfet Thierry Suquet. Raha ny fanamafisana dia trano tsy ara-dalàna 1250 isa eo ho eo no vinavinain’ny fanjakana horavana ao amin’ny nosy hatramin’ny faran’ity taona ity. Ireo trano fanitso no tena voakasik’izany izay haringana ao anatin’ny roa volana ho avy izao.

Laisser un commentaire