SocialTatitra

Kenya : Olona maherin’ny 42 maty noho ny fahavakisan’ny toha-drano

Olona maherin’ny 42 no maty tao Kenya, noho ny fahavakisan’ny toha-drano, tany amin’ny faritra avaratry ny renivohitra, tao Nairobi. Vokatry ny fisin’ny oram-be mikija tany an-toerana, no nitarika izany fahavoazana, izay nahafatesana olona maro izany, araka ny fanazavana nataon’ny manam-pahefana tany an-toerana. Ankoatra ny fisian’ireo olona namoy ny ainy, dia maro ihany koa ireo trano difotry ny rano, ary tapaka ny ankabeazan’ny lalana vokatry ny tondra-drano. Tamin’ny faran’ny herinandro teo anefa, mbola nanao fampilazana fiomanana amin’ny mbola ho tohin’ny fahabetsahan’ny orana ho avy ireo tomponandraikitra. Hatramin’ny nisian’ny tondra-drano tao an-toerana, nanomboka ny volana martsa, dia mitotaly 76 ireo efa namoy ny ainy tao anatin’izany.

Laisser un commentaire