Etats-Unis : Andrasan’ny maro ny sarimihetsika « Avatar 2 »
Sarimihetsika anisan’ireo be mpijery indrindra ny Avatar tamin’ny taona 2009 ny Avatar. Amin’izao fotoana dia efa miandry ny fivohan’ny andiany faharoa indray ireo mpankafia izany.Telo ambin’ny folo taona taorian’ny nivoahan’ny sarimihetsika voalohany vao hivoaka indray ny faharoan’ny Avatar. Raha ny fantatra amin’ity andiany vaovao ity dia hietraka i Jake Sully (Sam Worthington) et Neytiri (Zoe Saldana). Zava-nisy folo taona taorian’ny zava-nitranga tamin’ny sarimihetsika voalohany no ho tantaraina amin’izany.« La Voie de l’Eau » (The Way of Water) no zana-dohaten’ity « Avatar 2 » ity ary hivoaka ny 14 desambra izao izany ao France sy La Réunion.
