ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Nitsidika ny Lehiben’ny Cisco Avaradrano ny kaominina

Nitsidika ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Avaradrano vaovao ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. Nisy ihany koa ny fandinihana ny fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny roa tonta manodidina ny resaka fampianarana.

« Nahitam-bokany sahady ny fiaraha-miasa tamin’ny lehiben’ny Cisco vaovao eto Avaradrano. Eto Isahafa no hanatanterahana ny fanadinana ara-panatanjahan-tena BEPC sy Bacc. Izany dia mba hitsinjovana ireo mpianatra sy ray aman-dreny amin’ny fanadinana no hanaovana izany » hoy ny Ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra, Razafimahefa Luc. « Misaotra antsika rehetra amin’ny fandraisana. Vonona tsara ny tenako ary manome toky fa hanao izay tratry ny heriko hampandrosoana ny lafin’ny fanabeazana » hoy Ratsimandresy Aina Nambinintsoa, Lehiben’ny fiadidiam-pampianarana vaovao eto Avaradrano.

Misokatra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny CISCO sy ireo kaominina eto Avaradrano. Iaraha-misalahy tokoa ny fanabeazana fa tsy vitan’olon-drery.

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire