ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Manentana hatrany ny mponina handoa hetra ny kaominina

Mbola maro ireo tsy nahefa ny adidy amin’ny fandoavan-ketra ny taona 2020 ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Manentana ny mponina mba handoa izany ny ao amin’ny Kaominina.

Ampahafantarina isika fa amin’ity volana may ity no fetra farany hahafahana mandoa ny hetra. Aoriana izay kosa dia hisy ny tataon-ketra alaina amin’ireo izay tsy mbola nahefa » hoy ny mpitantana ny hetra ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Entanina ny rehetra anantona ety amin’ny biraon’ny kaominina raha mila fanazavana fanampiny. Manentana antsika ihany koa mba handoa izany ao anatin’ny fe-potoana voatondro » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Antoky ny fampandrosoana tokoa ny fandoavan-ketra. Raha tsy mazoto mandoa hetra ny mponina dia mikatso ny fampandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire