ActualitésTsidika

Belanitra : Hisy ny fampiofanana maimaimpoana mikasika ny fiompiana

Hisy ny fampiofannaa maimaimpoana mikasika ny fiompiana karakarain’ny CFP Belanitra sy ny Agrival amin’ny 19 may. Ho entina hanampiana betsaka ireo tantsaha eto Avaradrano ity hetsika ity.

« Ho hitantsika mandritra izany ny teknika fanatsarana ny fiompiana akoho gasy sy akoho manatody lava ary ny fakana nofo. Eo ihany koa ireo maniry hiompy kisoa » hoy ny avy ao amin’ny Agrival. « Azon’ireo liana ny misoratra anarana mivantana ety Belanitra. Maimaimpoana ny hetsika sy ny fampiofanana mandritra io andro io » hoy ny avy ao amin’ny CFP Belanitra.

Tena manampy betsaka ny tantsaha tokoa ny fampiofanana tahaka izao mba hahafahan’izy ireo manatsara hatrany ny seha-pihariany. Fotoana tokony hararaotina tokoa. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire