ActualitésTsidika

CEG Ambohimanambola : Nahazo solosaina miisa 10 avy amin’ny fikambanana Ankizy Madagasikara

Notanterahina tamin’ny faran’ny herinandro iny ny fanolorana fanomezana ho an’ny CEG Ambohimanambola. Solosaina miisa 10 no natolotry ny fikambanana Ankizy Madagascar tamin’izany.

“Adidy sy andraikitra lehibe ho fampandrosoana ny fampianarana ny fanohanana ara-materialy tahaka izao. Eo ihany koa ny fampandehanana ny fampianarana, anisan’ny tena ilaina ny solosaina ahafahana mandamina sy mandrindra ny asa atao ety amin’ny sekoly” hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

“Hisaorana ny fikambanana nanolotra ireo fitaovana ireo ho an’ny sekoly. Hirariana tokoa mba hahasoa sy ho loharano fitrandraham-pahalalana ho an’ny mpianatra izany ary ho hampandroso ny fananana izany” hoy i Hanta, ray aman-drenin’ny mpianatra.

Tsy afa-misaraka amin’ny fampianarana ankehitriny ny fampiasana ireo fitaovana nomerika sy ny teknolojia. Mbola sarotra, indrindra ho an’ny sekoly ety ambanivohitra anefa, ny fisitrahana sy ny fampiasana izany. Ny fanohanan’ny fikambanana tahaka izao dia anisan’ny manome lanja sy mamporoisika izany fampandrosoana ny sehatra izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire