ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Efa miverina amin’ny laoniny ny fitantanana ny fako ao amin’ny kaominina

Nampimenomenona ireo mponina saika manerana ireo fokontany ao amin’ny koaminina Ankadikely Ilafy ny fiparitahana sy ny fivangoan’ny fako isan-toerana, herinandro maromaro izay. Tsy nisy mpaka ireo fako ka niteraka fanelingelenana indrindra ny fofona sy ny loto haterany. Amin’izao fotoana izao, efa manomboka miverina miandalana ny fanalana ireo fako, raha ny voalaza.

« Nisy ny fikorotanana kely teo amin’ny fandrindrana ny fitantanana ny fako tamin’ny herinandro ambony teo. Ny fahasimban’ireo fiara lehibe rehetra mpitatitra ny fako no anton’izany » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Noho ny ezaka izay ataon’ny kaominina sy ny tomponandraikitra isan’ambaratongany manoloana ireo olana ireo anefa, dia efa niverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fanalana ireo fako nanomboka ny faran’ny herinandro teo » hoy hatrany ny fanazavana.

Maherin’ny 80 taonina moa ny lanjan’ny fako tsy maintsy taterina ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ao anatin’ny herinandro. Etsy ankilan’izay anefa, mampitaraina ny mponina ao an-toerana ihany koa ny mahakasika ny fahasimban’ny lalana.

Manitra R.

Laisser un commentaire