Seychelles : Mitohy ny fiofanan’ireo polisy ao La Réunion
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ara-teknika niaraka tamin’ny polisin’i Seychelles ny masoivoho frantsay ao Seychelles ny volana oktobra lasa teo. Manoloana izany dia polisy 16 avy ao an-toerana no miatrika fihofanana tarihin’ny GIGN (groupe d’intervention de la gendarmerie nationale) ao La Réunion.
Ho trandrahana mandritra io fihofanana io ny fanatsarana ny fampiasana ny fitaovam-piadiana, ny ady (corps à corps), ny fomba fametrahana fefy fiarovana sy ny fomba fidirana ao an-tranon’olona mbola misy manafika… Teknika maro hafa ihany koa no hozarain’ireo tompon’andraikitra efa za-draharaha ireo rahany fanazavana.
Ny 12 febroary izao vao hifarana io fiofanana io izay efa nanomboka ny herinandro lasa teo.
