ActualitésTsidika

Anjeva : Natomboka ny fizarana ny « titre faobe » maneran ny kaominina

Notanterahana nanomboka ny talata 7 febroary teo ny hetsika fizarana ny “Titre faobe” manerana ny kaominina Anjeva gara. Ireo izay efa nisoratra anarana nandritra ny fanentanana izany, tamin’ny faran’ny taon-dasa no afaka misitraka izany, araka ny voalaza.

“Tanjona ny hanomezana titre ny olona mipetraka sy manajary tanim-panjakana mba hisoratra amin’ny anarany, ato anatin’ny kaominina Anjeva. Efa hiaraha-mahalala fa tsy mora ny resaka fananan-tany eto amintsika, indrindra eo amin’ny resaka ara-bola aty amin’ny tontolo ambanivohitra, antony hanampiana azy ireo” hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva.

“Tena nahaliana ny olona ity hetsika ity. Hisaorana indrindra ireo namana tomponandraikitra ao amin’ny fananan-tany nanaiky hiara-miasa amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao” hoy hatrany ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

Raha tsiahivina, nisy ny fanentanana mahakasika ny fizarana titre faobe tao amin’ny kaominina Anjeva ny faraparan’ny taona 2022 iny. Ankehitriny manomboka ny hetsika fizarana izany ao an-toerana. Marihina fa ireo tanim-panjakana ihany moa no voakasik’ity hetsika ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire