SocialTatitra

Maurice : Niroso tamin’ny fanofanana ny » méthode des 6 chapeaux » ny nosy

Niroso tamin’ny fanombohana ny fanofanana ny « méthode des 6 chapeaux » an’i Edward De Bono ny Soft Skills Consultants (Mauritius) Ltd izay miara-miasa amin’ny De Bono Institute. Mifototra amin’ny « pensée rationnelle » ny « méthode des 6 chapeaux » ary manolotra fomba tsotra hanovana ny fomba fisainan’ny olona. Ireo sakotra voalaza ao anatin’izany dia maneho fomba fisainana ary ny sakotra tsirairay amin’ireo 6 dia maneho fihetseham-po.

Fitaovana iray miasa amin’ny fitantanana manokana na am-bondrona ny « méthode des 6 chapeaux » raha ny fanazavana. Natao ny fiofanana mba ahafahan’ireo mpitantana miatrika olana toy ny fisorohana ny « censure des idées nouvelles, dérangeantes, inhabituelles ». Efa tontosa ihany koa ny seminera momba ny fomba fiasa « lateral thinking » izay notarihin’i Frank Connolly, avy amin’ny Bono Master Trainer.

Laisser un commentaire