Torohevitra: Fampiasana ny tongolo gasy amin’ny fikarakarana vatana sy fahasalamana
Maro ireo aretina sitrana sy voka-tsoa azo avy aminy fihinana tongolo gasy. Mitondra soa ny fihinana hasiny iray arahina rano 1kaopy isan’andro amin’ny ora ny sakafo. Mamono otrik’aretina noho izy « antibiotique » vohajanahary. Manasitrana aretina maro toy ny : fery ivelany sy anatiny, fokorotanan’ny resaka « hormones », aretin’ny fo,mandamina ny tosi-drà, manampy ny tsinay sy ny aretin’ny taovam-pananahana,miaro amin’ny fahasolan’ny loha aingana loatra ary mampirisika ny fanirian’ny volo,mandroaka ny kankana, manasitrana ny fitohanana, manalefaka na manasitrana ny sery sy kohaka.
Rehefa marary an-doha na mavesatra atoka :maka hasiny 2,voasana ary atao eo amin’ny sofona.Raha gripa, afangaro tantely 1sotro ny hasiny 1 atao maraina sy hariva. Aretin’ny sofina,menaka oliva eran’ny sotro no afangaro hasiny 1 voatoto, avela hilona mandritriny ora iray avy eo maka kely ary atao tete 1 na 2 isaky ny sofina marary, atao iny2 isan’andro.
Fitazaim-batana hiadiana amin’ny homamiadana, maka hasina tongologasy miisa 3, totoina ary afangaro amin’ny ronono soja eran’ny kaopy, avela hilona 10 minitra avieo tatavanina ary sotroina. Areti-nify,totoina asisika any anatin’ilay marary. Manadio ny ao anaty, hasiny 8, vinaigitra tapaky ny kaopy mixena miaraka avy eo sotroina, 2 sotro lehibe isa-maraina, afaka tehirizina amin’ny vatafapangatsihahana ny ambiny. Afaka afangaro rano na ranombohakazo ihany koa.
Sonina Randrianarijaona
