Sehatry ny jono : Hampiroboroboina ny fiompiana drakaka any Sofia
Dépêche 02 mai, 12h, Hampiroboroboina ny fiompiana drakaka any amin’iny faritra Sofia iny. Araka izany dia vita ny fametrahana ny trano natokana hiompiana azy ireny sy ny fanamboarana vovo natokana ho amin’izany tao amin’ny ambanivohitr’i Maromandia. Tao amin’io faritra io no nanaovana ny andrana tamin’ity fomba fiompiana iray ity ahafahana manatsara ny vokatra. Somary mafy ny asa hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toe-karena manga, saingy samy vonona ireo mpisitraka rehetra ka tsy nanao sarotra ny fahavitan’izany.
