ActualitésTsidika

Anjeva: Nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpangalatr’omby

Nitohy hatrany ny trangana halatr’omby tao amin’ny kaominina Anjeva. Ny 19 teo, nisehoana tranga iray indray ary nifandrimbonan’ny mpitandro filaminanana tao an-toerana sy ny fokonolona an-tanana ny fanarahan-dian’ireo olon-dratsy.

« Rehefa naharay ny antso mahakasika ny fahaverezan’ny omby izahay dia niroso tamin’ny fanafahan-dia ny omby, niaraka tamin’ny fokonolona. Tamin’izay ihany koa no niaraha-niasa tamin’ireo zandary avy amin’ny kaominina manodidina mba hanao ny fanakanana » hoy ny avy amin’ny manam-pahefana.

« Tratran’ny vela-pandrika ireo olon-dratsy ka tamin’izay no nanaovan’izy ireo hasoparana ilay omby, tao amin’ny fokontany Ambohitsimeloka. Olona miisa 6 kosa no nanaovana fanadihadiana sy nosavaina trano taorian’izay ary nahatratrarana fatin-kena sy fitaovana famonoan-kena » hoy hatrany ny fanazavana.

Rehefa niakatra ny fampanovana moa ireto olon-dratsy ireo ny 25 aprily teo dia nahazo fahafahana vonjimaika avokoa. Etsy ankilany, manentana ny mponina ho mailo hatrany ny zandary ary hanao ny fampandrenesana manoloana ny firongatry ny asa ratsy.

Manitra R.

Laisser un commentaire