Fitaterana: Mbola maro ireo fihetsika tokony harenina amin’ny zotra FCE
Dépêche 10 mai, 13h, Vinavinaina handeha ny faran’ny volana mey izao indray ny zotra an-dalamby izay mampitohy an’ny Fianarantsoa amin’ny Manapatrana ao anatin’ny zotra FCE. Ny fetin’ny paska teo no nanombohana ny fampandehanana ity zotra FCE ity hatreo Sahambavy. Ho fanomanana io zotra Fianarantsoa Manapatrana io dia misy ny famboarana betsaka tsy maintsy hatao. Ireo halatra sy fanimbana ireo lalamby no tena olana sedrain’ity zotra ity. Araka izany dia ankoatra ny fanarenana ara-teknika dia mial harenina miaraka amin’izany ihany koa ny ara-toe-tsaina hahafahana miaro ny fananana iombonana. Nybtena tanjona lehibe amin’ity fanamboarana ity moa di any hahafahana manokatra indray ny lalana hatrany Manakara.
