Tetik’asa Fihariana: Tsy mijanona amin’ny famatsiana ara-bola sy ara-teknika fotsiny ihany
Ankoatra ny tohana ara-bola sy ara-teknika isan-karazany dia mbola nahazo tosika ara-barotra ihany koa ireo mpisitraka ny tetik’asa Fiharina. Tsy mijanona amin’ny fanolorana fanampiana irery ihany ity tetik’asa ity fa tena manohana ahtramin’ny fara-tampony mihitsy. Ny tanjona tamin’izany di any hahafahana manome lalam-barotra ho azy ireo ka hahatongavan’izy ireo amin’ny fahaleovan-tena.
“Nomena sehatra manokana ireo mpisitraka ny Fiharina nandritra ny « Foire de l’Elevage et de la Production Animale » (FEPA). Nahazo alalana ny hampiranty maimaimpoana ny vokatra izay vokariny ireo mpisitraka andritra ny hetsika ary afaka ihany koa nivarotra izany tamin’ireo mpitsidika », hoy ny avy ao amin’ny Tompon’andraikitry ny Fihariana tamin’ny fanazavany.
Anisan’ny tanjon’ny Fihariana ny hampiroborobo ny fiompiana eto Madagasikara. Ity sehatra ity izay mbola tena malalaka amin’izao fotoana izao. Miaraka amin’izany ihany koa ny fanolorana fahaleovan-tena ho an’ireo mpisitraka. Anisan’ny mbola tokony hikaroham-bahaolana ihany koa anefa ny famoaham-bokatra any amin’ny toerana saro-dalana raha tena izany no tanjona.
“Toa ho an’ny any akaikin’ny andriana hatrany ny hetsika fa izahay aty amin’ny lalina aty toa miha-milentika hatrany. Tsy misy lalana hahafahana mamoaka ny vokatra na dia betsaka aza izany”, hoy i Josiane, mpiompy avy any ambany vohitr’I Miarinarivo.
Lalana mbola azo trandrahina tsara ity sehatry ny fambolena ity ary azo entina hampandrosoana an’ny Madagasikara. Mbola azon’ny mpandraharaha atao tsara ihany koa ny miasa amin’izany. Meteza ho mpampandroso ary meteza ho mpanolotra vahaolana ho an’ny fampnadrosoana ihany koa ary.
Miora Raharisolo
