Fanabeazana : Miantso ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanarenana ireo sekoly simba ny fitondram-panjakana
Mitentina 450 000 tapitrisa Ariary ny vola tsy maintsy ilaina amin’ny fanarenana ny sekoly miisa 2 854 lasibatry ny rivodoza nifanesy teto Madagasikara. Hanampy betsaka amin’ny fampiakarana ny lentan’ny fanabeazana ny fanarenana ireo sekoly ireo.
« Tanjon’ny fanjakana ny hananana antotan’isa feno sy mazava ahafahana manentana sy manetsika ny mpiara-miombona antoka hanao tan-tsoroka amin’ny fanarenana. Efa nisy ny namaly ny antso toy ny fikambanana iraisam-pirenena » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Hanolotra vola mitentina iray tapitrisa dolara ny masoivohon’ny firenena norvezianina miaraka amin’ny solon-tenan’ny fikambanana iraisam-pirenena. Iaraha-miasa ny fanarenana ny fanabeazana ho antoky ny famapndrosoana eto amin’ny firenena » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana.
Tsiahivina fa nahazo 50 miliara ariary tamin’ny fitondram-panjakana ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena hanarenana ny fanabeazana. Mbola manao antso avo amin’ny’mpiara-miombon’antoka hatrany ny Ministera. Ny tao-trano tokoa tsy hefan’ny irery.
Nicole Rafalimananjara
