ActualitésTatitra

France : Raim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy no maty nofahon’ny fiaran-dalàmby tao Ardennes

Nisehoana lozam-pifamohivoizana nahafaty olona roa tao amin’ny garan’i Donchery, Ardennes ny 14 novambra teo. Raim-pianakaviana 47 taona sy ny zanany vavy 16 taona no nofahon’ny fiaran-dalàmby mpitatitra entana rehefa niampita ny lalàm-by tao an-toerana ary maty teo no ho eo.

Nilaza ny ben’ny tanànan’i Donchery, Christian Welter fa tsy misy fiampitana ambanin’ny tany ny gara ka voatery miampita ny lalàm-by ireo mpandeha tongotra. Raha ny fantatra kosa nitsena io zanany io avy nandray ny fiaran-dalàmby nampitohy an’i Charleville-Mézières sy Sedan io raim-pianakaviana io no tratran’ny loza izy mianaka.

Laisser un commentaire